Tetikasa Konstitution’ka: Nitafana momba ny fitsinjaram-pahefana

Tafiditra amin’ny drafitrasan’ny Tetikasa Konstitution’ka, notaterahina teny amin’ny Radisson Blue, Ambodivona, ny famelabelaran-kevitra « Regards croisés de Madagascar et d’Allemagne sur l’autonomie territoriale : décentralisation et fédéralisme », ny 29 septambra lasa teo.

Tetikasa izay vatsian’ny GIZ vola, ary iarahan’ny fikambanana Gen ZYX Fanorina sy ny Agetipa miahy. Ity farany izay mametraka ireo lohahevitra voakasiky ny tetikasa ho ao anatin’ny andraikitra sosialin’ny orinasa.
Tanjon’ny tetikasa ny mampandray andraikitra ny olom-pirenena tsirairay amin’ny alalan’ny fitondrana fomba fijery iraisana momba ny Lalàmpanorenana malagasy. Natao indrindra ny famelabelaran-kevitra arahina dinika tahaka izao, mba ahafahan’ny olom-pirenena, mifanakalo hevitra sy mitondra ny anjara birikiny.
Maherin’ny 40 ny lohahevitra ifampizaran’ny tetikasa, hanasana ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Anisan’ izany ny : fitsinjaram-pahefana, ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena, ny mety ho rafitra ny andrimpanjakana ho enti-mamaly ny fanamby ho amin’ny fampandrosoana.
Nandray anjara tamin’ny fifampizarana i Herta Däubler-Gmelin, minisitra fedaraly teo aloha an’ny Allemagne niandraikitra ny fitsarana, ny lehiben’ny masoivohon’i Allema­gne miasa eto Madagsikara, Oliver Knoerich, ary ny mpitsara sady manam-pahaizana momba ny fitantanana, Rado Milijaona. Nisy ny fifampizarana sy ny fampitahana ny maodely malagasy sy ny firenen’izy ireo.

r.r

Partager sur: