“Zara kanto”: Seho telo, natambatra ho iray

Nifanitra-kitro indray ny tao an-dapa, omaly. Nahitam-pahombiazana ny “Zara Kanto 2026”. Samy nitondra ny kanto indrindra mantsy ry Nate Tex, Mirado ary ny tarika ‘Zay.

Vao hoe “Zara kanto”, toa maheno ao am-parahatoka hoe Nate Tex sy ny sanganasany izay. Fa tsy izy irery kosa no nanatontosa ny “Zara kanto” 2026, izay natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Andro roa mialoha ny seho dia efa tapitra tanteraka ny tapakila. Porofo iny fa mbola be mpankafy ry Tarika ‘Zay, Nate Tex ary i Mirado. Toy ny fampisehoana telo no natambatra, satria samy naneho ny kantony ny tarika telo. Mifanohitra amin’izay, tsy samihafa fa iray ihany ireo mpankafy izay manamafy fa mitovitovy fironna ara-mozika ireto tarika ireto, na dia tsy indray nihira aza.

Ny zokiny, zokiny foana. Niteny indray ny traikefan’ny tarika ‘Zay, izay efa zatra rahateo miatrika ny mpankafy azy tao amin’ity lapa ity. Nifandimby niaraha-niredona ry ”Indray andro any”, “Tsiky kely”, “Nitempo anao”, “No­meko azy”, sns. Tsy ambaka an’izany koa ny an’i Mirado, izay nahatsapana fironana bebe kokoa amin’ny fankafizan’ireo tovovavy. Ny feon’izy ireo mantsy no nanarona ny lapa, nandritra ny “Ilay anjeliko”, sns. Fa mitondra loko hafakely izay foana i Nate Tex rehefa eny an-tsehatra. Noho izy efa mpilalao teatra ka mahafehy kokoa ny fifandraisana amin’ny mpankafy sy ny kanto atolotra ve? Sa noho ny te hizara kanto tokoa? Fa dia voarain’ny mpankafy avokoa, na ireo hira taloha na ireo vao nivoaka tanatin’ny rakikira “Za” farany teo.
Tsara sy nety iny safidin’ny fapiarahana ny tarika Zay, Nate Tex ary i Mirado tamina sehatra lehibe iny. Miandry ny ho endriky ny “Zara kanto” manaraka indray.

Zo ny Aina

Partager sur: