Fifanintsananana Lalao Olympika 2028 : Nahintsan’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo ny Barea Ladies

Miharatsy hatrany ny vokatra azon’ny ekipa nasionaly malagasy. Omaly, tany Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina, dingana faharoa amin’ny ady tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika JO 2028, niondrika 3 no ho 0 teo anatrehan’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo ry zareo. Tsy miatrika ny lalao Olympika izany ny ekipa malagasy.

“Resy indray!” Mbola lavon’ny Banyana Banyana Afrika Atsi­mo, tamin’ny isa 3 no ho 0, indray ny Barean’i Madagasi­kara, vehivavy, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium atsy Afrika Atsimo. Fihaonana miverina tafiditra anatin’ny fifanintsanana lalao Olympika 2028 ho an’ny ta­ranja baolina kitra, sokajy vehivavy, izay hatao any Los Angeles Etazonia. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, hita ho nanantombo amin’ny fanafihana ny  Afrika­nina tatsimo raha toa ka na­natsara ny vodilaharana kosa ny vehivavy malagasy. Poro­fon’izany, ry zareo Banyana Banyana hatrany no nanindry tamin’ny fanafihana sy ny fitazomam-baolina, saingy tsy nahakobana ny harato tao anatin’ny fidirana voalohany na dia niezaka nampiseho ny heriny aza ry Magaia sy ny namany. Ady sahala 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny fidirana faharoa, hitan-dry zareo Afri­kanina tatsimo ny lesoka. Iray minitra nanombohan’ny fizaram-potoana faharoa (faha-46 min),  nanokatra  ny isa teny amin’ny solaitrabe  i Gabriela Selgado. Nanova ny lalao kosa ny fidiran’i Ronnel Donnely, lohalaharan’i Afrika Atsimo. Nahatafiditra baolina roa indray ny tenany, ny minitra faha-64 sy ny faha -77 nilalaovana. Tsy niova tamin’io intsony ny isa, nandresy ny Banyana Banyana Afrika Atsimo. Mbola manohy ny diany amin’ny fifanintsanana Olympika izany ny Banyana Banyana, raha toa ka mitsahatra hatreo ny dian’ ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa resin’i Afrika Atsimo, 4 no ho 0, i Madagasikara, tamin’ny fihaonana mandroso. Hita mbola ho lesoka ho an’ny Malagasy ny tsy fahampian’ ny lalao sy ny fifaninanana eto an-toerana. Marihina fa ry zareo Afrika Atsimo izay efa voky traikefa sy manana ny lazany eto Afrika amin’ity baolina kitra, sokajy vehivavy ity, ary efa voahosotra ho tompondaka tamin’ny “Can 2022”. Raha tafita teo moa ny Mala­gasy dia afaka niatrika  indray ny dingana fahatelo amin’ny fifanintsanana, izay tokony hatao eo anelanelan’ny 23 febroary – 6 marsa 2027.

Fitia Randria

Partager sur: