Miroso ny asa fanatsarana ny lalana RN1 bis. Mandray anjara amin’izany ny orinasa Madagascar Oil, amin’ny ampahany, eo anelanelan’i Beravina sy Tsimiroro, izay misy ireo toerana be loza.
Toerana miisa 10 mahery, eo anelanelan’i Beravina sy Tsimiroro, no hohatsaraina ka ny fitaovan’ny Madagascar Oil no ampiasaina hamerenana amin’ny laoniny izany. Anisany ny fametrahana fiampitana miisa valo, vita amin’ny simenitra, hiampitana ny renirano am-pilaminana. Efa nohavaozina koa ny arabe ao Beravina, hanamora ny fivezivezena sy miantoka ny fivoahan’ny rano amin’ny vanim-potoanan’ny orana. Manodidina ny 250 m ny fiampitana hatao beton. Tombanana ho vita amin’ny volana desambra ho avy izao izany. Ho an’ny heniheny ao Ankalalo, izay tratran’ny tondradrano isaky ny vanim-potoana fahavaratra ka miantraikany amin’ny fivezivezena sy ny fahafahana miditra any an-toerana, hametraka lalana manivaka ny tomponandraikitra. Nanomboka tamin’ny volana aogositra lasa teo ny asa ary hotohizana hatramin’ny desambra mialoha ny vanim-potoan’ny orana. Hitohy hatramin’ny 2027 izany avy eo.
Tanterahina miaraka amin’ireo vohitra sy kaominina manodidina, tohanan’ny mpiasa 30 eo an-toerana, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Asa tanamaro ny fanarenana. Manome asa vonjimaika sy mampandray anjara amin’ny hetsika ara-toekarena ao an-toerana koa izany.
Manampy amin’ny fikojana ny lalana
Ankoatra izany, mampiasa ny lalambe mampifandray an’i Tsimiroro-Tsiroanomandidy, ao anatin’ny fampandehanana ny asany, ny Madagascar Oil. Nampanantena koa ny orinasa fa handray anjara amin’ny fikojakojana izany miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Porofo ireo asa rehetra tanterahina fa maneho fahavononana ho tombontsoan’ireo mpampiasa lalana rehetra, miankina amin’io lalana io mandritra ny taona.
“Mankasitraka ny fandraisana anjaran’ny Madagascar Oil izahay amin’ireo asa fanampiny izay mikendry ny
fanatsarana ny RN1 Bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Beravina, Rabearisaona Philibert.
Vonjy





