Manodidina ny 400 tapitrisa Ariary isan-taona ny vola ampiasaina amin’ny fampitaovana ny lafiny fifamoivoizana ana habakabaka any amin’ny seranam-piaramanidina Sainte Marie. Mitantana azy ny orinasam-panjakana Adema, miara-miasa amin’ny rafitra iraisam-pirenena afrikana Asecna Dakar. Tonga tao amin’ny serananam-piaramanidina Sainte Marie, ny alatsinainy 12 oktobra teo, ny fiaramanidina Labo, hanadihady sy manao fikarohana mahakasika ny fanaraham-penitra amin’ity sehatra ity.
Vita ny fandrakofana godirao ny lalana eo anelanelan’ny PK 159 sy PK 165, ao Antsirabe, amin’ny lalam-pirenena RN7. Nafindra any amin’ny PK 122 ny fitaovam-piasan’ny orinasa, hanatanterahana ny asa hatrany amin’ny PK 145. Mandroso koa ny fanarenana ny ampahan-dalana PK 307-PK 311 any Amoron’i Mania.
Firenena anisan’ny mandray ny vokatra amin’ny harena an-kibon’ny tany avy aty Madagasikara i Etazonia. Anisan’izany ny vatosoa, ny vato indrostrialy, ny fasimainty, ny nikela, ny kobalta, ny grafita, ny kraoma, sns. Nohamafisiny, noho izany, ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nifantohan’ny fihaonan’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl sy ny mpiraki-draharaha amerikanina, Thomas Bevan, ny alatsinainy teo, izany.





