Olona enina voasambotra : Avotra ilay zaza nalaina an-keriny

Hita sy avotra soa aman-tsara tany Soavina, disitrikan’i Betafo, omaly maraina, ilay zaza telo taona, nisy naka an-keriny tany Ankarinarivo, kaominina Soavina, ny alin’ny 12 oktobra lasa teo. Salama tsara izy saingy mbola tsy na­havita niteny firy. Marihina fa olona enina no voasambotra nanomboka ny 15 Oktobra tamin’io raharaha io. Ireto farany no nanondro ireo olona ahiahiana ho nandray anjara tamin’ny fanafihana sy ny fitazonana ilay zaza. Anisan’ny olona voasambotra ny rahalahan-drain’ilay zaza nalaina an-keriny, izay maty novonoin’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Ny renibeny, ny zaobaviny, anadahiny, izay samy olona akaiky ny maty avokoa. Voalaza fa disadisa ara-pianakaviana momba ny fialonana sy ny fizaram-pananana no fototry ny raharaha fanafihana sy fakana an-keriny, raha ny fanadihadiana na­taon’ny zandary.
Raha tsiahivina, notafihin’ ny olon-dratsy miisa efatra, mirongo fitaovam-piadiana, ny tokantrano iray, tany an-toerana. Notofirin’ireo olon-dratsy ny rain’ilay zaza ka maty tsy tra-drano. Noentin’izy ireo ilay zaza. Nitondra hazo sy fitaovana hafa ary nidaroka azy mivady ireo jiolahy vantany vao tafiditra ny trano. Vokany, maty tsy tra-drano, noho ny vono nahazo azy ny raim-pianakaviana (rain’ilay zaza). Torana tsy nahatsiaro tena kosa ilay ramatoa. Tamin’ny 4 ora maraina vao nahatsiaro tena saingy efa tsy teo intsony ny zazany ary efa tsy nisy aina intsony ny vadiny. Namela soratra teo amin’ny rindrina ireo olon-dratsy milaza ny fitakiana vola 10 tapitrisa Ariary ho takalon’ny famerenana ilay zaza nalain’izy ireo an-keriny.

Mino

Partager sur: