Andapa-Sambava : Toby riandrano hamo­katra herinaratra 8 MW

Hanomboka amin’ity taona ity ny fananganana fotodrafitrasa hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano any Belaoko Lokoho, faritra Sava. Hanana tanjaka 8 MW ity toby ity, hamatsy fokontany miisa 117, ao amin’ny distrika Andapa sy Sambava. Hamatsy ny tambajotran’ny Jirama ao amin’ireo distrika roa ireo ihany koa. Hisy toby herinaratra avy amin’ny masoandro, miisa 5 ihany koa, hanana tanjaka 2,8 MW, miaraka amin’ny bateria mitahiry angovo 5,1 MWh, hatsangana any Andriamanjavona. Hamatsy tanàna manodidina ny 90 ao amin’ny distrika Vohemar ity fotodrafitrasa ity.
Manohana ara-bola ny Antokondraharaha amin’ny fampidiran-jiro eny ambanivohitra (Ader) amin’ny fanatanterahana ireo toby roa ireo ny mpiara-miombon’antoka alemà KfW. Nidina tany an-toerana ny delegasionin’ny KfW, tamin’ity herinandro ity. Nanotrona azy ireo ny fitantanam-paritry ny An­govo sy ny akoranafo (DREH) Sava, ny Ader. Eo am-pamaranana ny pitsopitsony momba ny fanonerana ireo mponina voakasiky ny tetikasa, mialoha ny tena fanatanterahana ny asa.

Njaka A.

Partager sur: