Miisa 141 ireo mpandraharaha tafiditra ao anatin’ny lisitra voalohany nahazo alalana hanondrana lavanila amin’ny taom-piotazana 2026-2027, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Afaka maka ny taratasy fanomezan-dalana eny an-toerana nanomboka omaly, ireo voakasika.
Nitombo isa ireo nahazo alalana raha oharina tamin’ireo taom-piotazana teo aloha. Miisa 115 ny mpandraharaha nahazo alalana tamin’ny taom-piotazana 2025-2026, raha 58 izany tamin’ny 2024-2025. Nahatratra 96 kosa ny lisitra nohavaozina tamin’ny 2023-2024.
Manoloana izany, hamafisina ny fanaraha-maso ireo mpandraharaha, indrindra ny fanamarinana ny fahafenoan’ny fepetra takina amin’ny trano fitahirizana sy fanomanana lavanila. Kendrena ny hiantoka ny lalàna mifehy ny fanondranana. Marihina fa anisan’ny mampidi-bola betsaka amin’ny kitapombolam-panjakana ny lavanila. Tsiahivina fa nidina ny vokatra naondrantsika farany teo, noho ny hamaroan’ny tahiry eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Henintsoa





