Hikorontana ny famatsiana herinaratra manomboka rahampitso ka hatramin’ny 22 oktobra, eto Antananarivo sy ny manodidina. Hisy ny asa fanamboarana sy fikojakojana fotodrafitrasa ho ataon’ ny orinasa Jirama. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloana taribian-jiro simba, fananganana andrin-jiro ary fandratsanana hazo. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny tolotra sy ny fitsinjarana ny herinaratra.
Manodidina ny 200 ireo mpandray anjara
amin’ny “Salon international de l’habitat » andiany faha-27. Toy ny fanaon’ny MadaVision, mpikarakara ny hetsika, dia mbola hatao eny amin’ny CCI Ivato izany. Hisy ny famelabelaran-kevitra sy fampirantiana maro samihafa. Hisy koa ny “Speed recruiting” sy fihaonana amin’ireo orinasa ny sabotsy sy ny alahady. Marihina fa atao ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra izy io amin’ity taona ity.
Maro sahady ireo entana simba noho ny fahatapahan-jiro misesisesy. Mitombo ny vola mivoaka ho an’ireo lasibatra, izay voatery manolo ny simba. Mampametra-panontaniana ireo mpanjifa sahady raha toa ka nahomby ilay fandatsahan’orana nataon’ny fanjakana farany teo tany Andekaleka, satria miverina tapaka indray ny herinaratra.





