Ankizy milalao : Hifarana rahampitso ny andiany fahatelo

Hotontosaina etsy Anala­kely, rahampitso, ny famaranana ny fifaninanana “Ankizy milalao”, andiany fahatelo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny sekoly baolina kitra, Analakely Foot­ball Academy (AFA) sady mpikarakara, omaly, hifandona eo amin’ny lalao famaranan’ny sokajy zandriny, U8, ny Aje­saia sy ny Varatra FC. Hatao amin’io fotoana io koa ny ma­nasa-dalan’ny U6, ka ny Soccer Academy hifandona amin’ny 67 City, ary ny EFMA hihaona amin’ny Aka­demy Mamiratra. Izay tafavoaka eo no hiatrika ny dingana farany.
Ankoatra izany, nanao pao-droa ny Elgeco Plus, azon’izy ireo ny amboaran’ny U10 sy ny U12. Nalain’ny Ajesaia kosa ny teo amin’ny U14. Azo lazaina ho nahomby ihany ity hetsika ity. Na­hatratra 128 teo ireo klioba sy sekoly nandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa ity fifanintsanana ity izay efa na­nom­boka ny 3 sy ny 4 oktobra lasa teo, tetsy Beton­go­lo. Ampahafantarina ihany fa ny 7 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Havoria Anosy, hikarakara seho hiarahana amin’ ny tarika Reko ny AFA.

Fitia Randria

Partager sur: