“ Ela ny ela, fantatra ihany…”. Namoaka ny anaran’ireo mpilalao efa-dahy hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany izay hatao any Thaïlande, ny volana novambra ho avy izao, ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe. Fantatra, omaly, tao amin’ny pejin’ izy ireo fa Rakotomanana Olivier na i Liva, avy amin’ny klioba Cecam CBC, no eo amin’ny toeran’ny “pointeur”. Hiandraikitra ny toeran’ny afovoany kosa Ramanantiaray Faralahy Urbain na i Baloty, avy amin’ny Pac. Manampy azy ireo, hisahana ny tifitra “tireur” i Fanjamanovofifaliana Tendry Fitia Honorat, avy amin’ ny CBC.
Voafidy ho mpilalao fahefatra Rakotoarisoa Lova, mpilalaon’ny SBA. Ampahafantarina ihany fa ry Liva sy Tendry, izay avy voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara farany teo, raha toa ka niatrika ny famaranana tamin’ izany, i Baloty. Ry Lova sy Baloty, efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro tamin’ity taona ity. Araka izany, tsy nisy tafiditra tao anaty ekipa nasionaly izany ireo mpilaravinahitra maro niatrika ny fampivondronana. Anisan’ izany ry Zigle sy Yves, mpilalaon’ny Decines Frantsa; ry Racle, milalao any Frantsa ihany koa ary i Toutoune, avy ao Maurice.
Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika ny fampivondronana avy hatrany ireo Malagasy mpilalao.
Fitia Randria





