Famokarana : Maro ny vehivavy tsy misitraka tany

Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy eny ambanivohitra omaly 15 oktobra. Andro maneran-tany ho an’ny sakafo (JMA) ny 16 oktobra ary Taona iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha ihany koa ny taona 2026.

Atao etsy amin’ny tokotanin’ny Kianja Barea Ma­hamasina ny hetsika. Maromaro ny famelabelaran-kevitra natao, miompana amin’ny lohahevitra samihafa. Nilaza ny filohan’ny Tranoben’ ny tantsaha mpamokatra (TTM), Razafimbololona Angeline, fa anisan’ny olana sedrain’ny vehivavy malagasy, ankehitriny, ny lafiny fananan-tany, indrindra ny any ambanivohitra. Antony, ny tsy fahaizana taratasy, ny tahotra miditra birao, ny tsy fahaizana lalàna. Eo koa ny lafiny kolontsaina ara-drazana, milaza fa tsy mandova ny vehivavy any amin’ny faritra sasany, fa ny lehilahy ihany. Efa miova sy mivoatra tsikelikely izany, saingy, tsy mbola ampy. Mila ampiana sy ampitomboina ny fanentanana. Vahaolana ny hanaovana vaindohan-draharaha ny fanentanana azy ireny amin’ny fomba rehetra, ny fampahalalam-baovao, satria maherin’ny 50% ny vehivavy mamokatra.

Tranga El Nino
Mila atrehina ihany koa ny tranga ara-toetr’andro, El Nino, mandalo ankehitriny. Nambaran’ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Rabarison Arsène, fa efa vonona ny fiatrehana azy. Eo ny fizarana kojakojam-pamokarana, toy ny masomboly, zezika, fitaovam-pamokarana, sns, any amin’ny faritra maro. Natao izany hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra, sady hahafahan’izy ireo miatrika ny fiovan’ny toetr’andro rahateo. Natsan­gana any amin’ny faritra maro ihany koa ny toby Tahirin-tsakafo, ahitana masomboly sy sakafo, ho fiomanana hiatrehana ny tranga El Nino.
Tsiahivina fa tranga ara-toetr’andro miseho isaky ny roa hatramin’ny 7 taona ny El Nino. Miakatra ny maripana any amin’ny Ranomasimbe pasifika, mahazo ny habakabaka ary miparitaka maneran-tany. Miovaova arakaraka ny faritra ny fiantraikany, toy ny haintany, tondradrano, ary miova koa ny tetiandrom-pamokarana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: