Mahatratra an’arivony ireo tanora lahy sy vavy nisitraka fampiofanana arakasa mahakasika ny taovolo sy ny tarehy amam-bika avy amin’ny fikambanana Tanàna miray etsy Namontana, tao anatin’ny 13 taona nijoroany ka hatramin’izao. Amin’izao fotoana, mahatsapa ny fikambanana fa mbola betsaka ireo tanora tsy an’asa. “Manoloana izany, hanitatra ny fampiofanana maro samihafa izy ireo, toy ny tontolon’ny zaitra, patisserie, charcuterie, ary indrindra ny fampianarana teny vahiny izy ireo”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana, Rasoarinoro Narindra Claudia. Tanjona ny hanampiana ireo tanora malagasy mba hanana asa fivelomana sy hanana hoavy mamiratra ary hahaleo tena eo amin’ny fiainany. Ankoatra izay, ny hanampiana ireo tanora sahirana ara-bola ka tsy afaka manovo fahalalana ihany koa.
Marihina fa hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ny 15 novambra ho avy izao, eny amin’ny foibe toerany etsy Namontana, ny fikambanana. Miaraka amin’ny fampahafantarana ireo fanampim-piofanana vaovao izay atolotra ny tanora eto an-toerana izany. Nambaran’izy ireo fa tsy ho an’ny tanora monina eto Antananarivo ihany ny tolotra fa hisokatra ho an’ny rehetra manerana ny Nosy. « Miaraka ho amin’ny hoavy tsara kokoa » na «Ensemble pour un avenir meilleur», io ny teny filamatry ny fikambanana.
Mino





