Association Psy-kôzy: Mikarakara hetsika « Ludothérapie »

«Sondriana mijery na milalao na miresaka amin’ny finday avo lenta (Smartphone) daholo ny ankabeazan’ny olona amin’izao fotoana. Na ankizy io na tanora na olon-dehibe. Vao mifoha, ny maraina, efa raiki-tapisaka eo am-pototry ny finday ary tsy mifarana izany raha tsy alina ny andro. Misy ny sasany tsy mahita tory mihitsy vokatr’izany”, hoy ny association Psy-kôzy Madagascar.
Manjary lasa fiankinandoha amin’ny efijery (ecran) no hiafarany ary tonga amin’ilay fitenenana hoe ny finday avo lenta miampy ny internet mampifanakaiky ny olona lavitra anao fa mampifanalavitra ny olona eo anilanao. Noho izany antony izany no nahatonga ny association Psy-kôzy Madagascar nanapa-kevitra hikarakara hetsika hoe “Ludothérapie” izay fomba iray hanatsarana ny fifandraisanao amin’ny tenanao sy amin’ny hafa. Manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny saina sy ho fisorohana ny fiankinandoha amin’ny efijery. Amin’ny alalan’ny lalao maro isan-karazany no hanaovana izany. Hotanterahina ny sabotsy 24 oktobra ho avy izao, eny amin’ny Onifra (Centre de compétences) ao amin’ny oniversite FJKM Ravelojaona Ampandrana, ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: