PACFC III : 229 tapitrisa dolara hanamboaran-dalana

Hanatsarana ny lalana sy hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Ireo no tanjon’ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa Fanatsarana ny lalana sy fanamorana ny varotra (PACFC III). Ha­nomboka amin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo, ny 28 oktobra 2026 izany. Mitentina 229,47 tapitrisa dolara ny tetibola hanatanterahana azy. Haharitra hatramin’ny taona 2030.
Anisan’ny asa miandry ny fanamboarana ny lalana RNT55, mampitohy an’i Be­voay sy Morombe, mirefy 78 km, ary ny fefiloha mirefy 22 km ao Fiherenana, hiarovana an’i Toliara amin’ny tondradrano. Kendrena ny hampihena ny fivezivezena eo amin’i Bevoay sy Morombe, ho ora iray sy sasany raha toa ka 4 ora izany ankehitriny. Eo koa ny hampitombo ny fifamoivoizan’ny entana sy hampihena manodidina ny 46 % ny fampiasana ny kamiao mpitatitra entana. Ho laharam-pahamehana ihany koa ny famoronana asa.
Ankoatra ny fotodrafitrasa, mikendry ny hanatsara ny fomba fiasa eo amin’ny fadintseranana sy ny seranan-tsambo ihany koa ny PACFC III. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Toliara sy Beira, any Mozambika.
Mamatsy vola ny tetikasa ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) sy ireo mpiara-miombon’antoka ny fandaharanasa PACFC. Hanokafana ny faritra atsimon’i Madagasikara, ny fampiroboroboana ny varotra ary ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena amin’ny firenena afrikanina ny tanjona.

Henintsoa

Partager sur: