SIAL Paris 2026: Orinasa malagasy 10 mitady tsena vaovao

Miisa 10 ny Malagasy mpandraharaha mandray anjara amin’ny « Sial 2026 », tanterahina any Paris, Frantsa, nanomboka ny 17 ka hatramin’ny 21 oktobra. Tanjona ny hampidirana ny vokatra malagasy amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanitarana ny lalam-barotra ho an’ireo orinasa mandray anjara. Ahitana lavanila, cacao, zava-manitra, lohamenaka ary vokatra ara-tsakafo voahodina ireo vokatra entin’ireo orinasa malagasy any an-toerana.
Mikendry ny hampitombo ny varotra sy hanamafy ny fifaninanan’ireo orinasa malagasy ny hetsika. Tafiditra amin’izany ny fampiroboroboana ny vokatra « Vita Malagasy », ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana ary ny famoronana asa. Tanjona ny hanamafy ny fahafahan’ny mpandraharaha mitrandraka tsena vaovao sy hampitombo ny anjara toeran’ny vokatra eto an-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manohana ara-teknika ireo mpandraharaha nandray anjara ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Mitarika ny fandaharanasa ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostri France-Madagascar CCIFM, raha manohana ara-bola kosa ny Tetikasa PIC3.

Henintsoa

Partager sur: