TSELATRA

Trano misy rihana roa nirehitra tetsy Antanimena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, enina minitra taorian’ny antso. Fifampikasohana herinaratra tao amin’ny «compteur », ny « cage d’escalier », no voalaza fa anton’ny firehetana. Tsy nisy aina nafoy na naratra.
Nisava sy nanara-maso ireo kodiaran-droa manao hazakazaka mampidi-doza, tamin’ny faritra maro teto an-dRenivohitra, ny CUA, afakomaly. Niarahana tamin’ny Polisy monisipaly, Polisy nasionaly, Brigade des accidents, DTMU ary ny DBTP ny hetsika. Nisy ny fampidirana ambalam-pamonjana ireo kodiaran-droa tsy manara-dalàna.
Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary tany amin’ny kaominina Anjoman’Akona, Manandriana, afakomaly. Nikasa handositra sy nanohitra mpitandro filaminana izy. Dahalo efa mpamerin-keloka tao amin’ny kaominina Vinany Andakatany izy. Nampitondra faisana an’ireo mpiomby omby sy tantsaha ao an-toerana ity farany, raha ny angom-baovao voarain’ny zandary miasa ao Manandriana.
Tokantrano iray notafihan’ny jiolahy miisa 11 tany Ampangalandrano, fokontany Ambodiala, distrikan’i Faratsiho, ny alin’ny alahady teo. Efatra mianadahy nikasa hividy omby any Soavinandriana no notafihin’ny olon-dratsy. Olona efatra no naratra, noho izany. Voaroba ny vola 30 tapitrisa Ariary. Efa misokatra ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy.

Partager sur: