Tratra ny kamiao iray nitondra gazoala 21 000 litatra tany Antsiranana, hampihodinana ireo milina mpihary herinaratra any an-toerana. Ny borigadin’ny heloka bevava no nahatratra ity kamiao ity izay nivily lalana fa tsy nihazo ny toerana tokony hanaterana ny entana. Tao anaty barika 20 litatra, miisa 70 ireo solika ireo, izany hoe, mitotaly 1 400 litatra. Tsy tao an-toerana ny mpamily sy ny olona niaraka taminy ka mitohy ny fikarohana azy ireo.
Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe « voie rapide » any Sambava. Eo amin’ny sampanan-dalana Menagisy hatrany Ambodisatrana, ity lalam-baovao ity, hanafaingana sy hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Hanatsara ny fifandraisan’ny toerana samihafa ihany koa ary manohana sy mampitombo ny fihariana ara-toekarena any Sambava sy ny faritra Sava.
Taribin-jiron’ny Jirama mirefy 400 m indray no nisy nangalatra ny 16 oktobra teo, tany amin’ny Sapin Be, Ambatofotsy, Soamahamanina Arivonimamo. Miverina mirongatra ity halatra taribin-jiron’ny Jirama any amin’ny faritra Itasy ity. Efa miverina amin’ny laoniny ny famatsian-jiro taorian’ny fanoloan’ny teknisianin’ny Jirama ny tariby nisy nangalatra. Nakana alika mpitsongodia an’ny mpitandro filaminana, saingy tsy mbola tratra ireo olon-dratsy.





