Fiara tsy mataho-dalana iray tafavoaka ny lalana teo akaikin’ny Rond-point Don Bosco Ivato, afakomaly alina. Nisy vehivavy niseho tampoka nipetraka teo amin’ny seza alohan’ny fiara. Taitra ny mpamily nahita izany ka niteraka ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany.
Naneho ny alahelony, manoloana ny fitarazohan’ny fanadihadiana mahakasika ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Andranotapahina, ny zoma lasa teo, ny fianakavian’izy efa-mianaka niara-maty, omaly. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa nifanilahan’ny zandary ao Talamaty sy Mandrosoa ny fandraisana ny fanadihadiana.
Olona telo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava ao Antsiranana ny 19 oktobra 2026, tao amin’ny fokontany Morafeno distrik’Antsiranana, afakomaly. Voarohirohy noho ny resaka halatra sy fanodinkodinana solika avo lenta izay voatokana hamatsiana herinaratra ny tanànan’Antsiranana izy ireo. 70 jerikanina mavo, 2O l avy, no hita teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana.
Zazavavy miisa valo sy zazalahy roa, manodidina ny 14 hatramin’ny 20 taona, tratra nifoka zava-mahadomelina tao Ambatondrazaka, omaly. Raha ny fanazavana voaray, mpianatra avokoa izy ireo, saingy miafina mifoka rongony. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avokoa izy rehetra ireo.





