FANTINA sy FINTINA

Mifototra amin’ny fanajana ny fahasamiha­fana ny demokrasia, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Ani­san’izany ny fiaviana, finoana, taona, ny fanajana ny hevitry ny hafa… « Manana soatoavina harovana isika, ka anisan’izany ny fanajana sy ny fitsinjovana ny ray aman-dreny sy ny zokiolona », hoy izy.

Ho hentitra ny sazy ho an’ireo tompon’antoka tamin’ny famoahana ireo sinoa tany am-ponja, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mami­tiana. « Tsy andeferana na iza izany na iza. Tsy ananana havana. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana », hoy izy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Tsim­bazaza, omaly.

Mirona amin’ny « Ady gasy » kokoa. Namba­ran’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Raharinaivo Andrianantoandro, fa tokony hapetraka amin’ny toerany eto amin’ny firenena ny dinika sy ny fifampiresahan’ny samy Malagasy. Tsiahivina fa sady anisan’ny mpitarika ny vondrona Ampandrana izy ary mpikambana Tim.

Voantonontonona ho nikotrika fanonganam-panjakana ny Jly Ramiaramanana Joseph. Namaly izany ity manamboninahitra misotro ronono ity fa tsy teto an-toerana efa ho iray volana ny tenany. « Tany ivelany aho ary tsy mifandray amin’ireo olona voatonona voalaza fa miaraka amiko ireo. Manimba olona ny vaovao tsy voaporofo sy tsy marina », hoy izy.

Partager sur: