Hamokarana angondrakotra momba ny fambolena: Nanamafy ny fiaraha-miasa ny ESSA sy ny AgreenTech

Nanatanteraka fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa ny eo anivon’ny sekoly ESSA Ankatso sy ny AgreenTech, omaly. Tanjona ny hampifandrasaina ny lafiny fampiasana ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta sy ny tontolo ara-tsiansa mahakasika ny fambolena.

Nanamafy ny fiaraha-misa tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsoina ny Ecole supérieure des sciences agronomiques (ESSA) sy ny eo anivon’ny orinasa AgreenTech, omaly, teny Ankatso. Mba hampivondronana ny ezaka sy angondrakotra rehetra hametrahana ny «geo-intelligence» hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izany. Natao hampifandrasaina ny fampiasana ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta sy ny fampivadiana izany amin’ny tontolo ara-tsiansa mahakasika ny fambolena ihany koa. Mba hahafahana mamokatra angon-drakotra azo antoka sy azo hamarinina momba ny fambolena. «Manana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fikarohana sy fanatsarana ny lafiny famokarana eto Madagasi­kara ny sekoly Agro», hoy ny Pr Razafimahatratra Hery, talen’ny ESSA. Eo koa ny fikarohana, ny fikirakirana ny antontan-kevitra ara-tsiansa, hahafahana manatsara sy mamokatra zava-baovao eo amin’ny famokarana, raha ny nambarany. Manampy ny mpianatra hampihatra sy hanova ny fomba fambolena rahampitso.
Manampy betsaka ny fambolena
Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fomba fambolena vaovao ny fikirakirana io teknolojia io satria mandeha haingana kokoa ilay fitondrana fanatsarana eo amin’ny fambolena, amin’ny fampivadiana ireo sehatra roa ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mety tsy ho mety any amin’ny faritra iray ny fampiharana ireo lafiny roa ireo, fa afaka mamokatra zavatra ny faritra iray rehefa hananana ilay antontan-kevitra azo antoka.
«Izay indrindra no isian’ilay fiaraha-miasa satria afaka mitondra ireo fahasamihafana ho an’ny faritra tsirairay avy ny teknisianina», hoy ihany ny fanazavana. Ankoatra ny fifanaovan-tsonia, nisy ny famelabelaran-kevitra niarahan’
ireo tomponandraikitra tamin’ny mpianatra eo amin’ny sehatry ny fambolena.

Mino

Partager sur: