Nitifitr’olona ankitsirano sady nandroba vola 8 tapitrisa Ar tetsy amin’ny tsena an’Anosibe, tratran’ny polisy i Maka Orlando na i Kelindaty, omaly. Nandositra tany Betroka izy.
Notazomin’ny mpitandro filaminana miasa eo amin’ny Sampam-pikarohana eo anivon’ny polisy izay misahana heloka bevava, i Kelindaty, tompon’antoka tamin’ny vono olona miharo fandrobana teny Anosibe, omaly. Nokarohina nanomboka ny marain’ny alarobia 14 oktobra lasa teo. Nanao ny fikarohana rehetra ahafahana misambotra an’ io tsy valahara io ny mpitandro filaminana. Voarakitra an-tsary tamin’ny alalan’ireo « caméra de surveillance » mipetraka tamin’ny faritra nolalovany taorian’ny nanaovany ny asa ratsiny. Nihevi-tena ho tsy ho hitan’ny manam-pahefana, nitodi-doha nianatsimo ity jiolahy ity. Vokatry ny fiaraha-miasa eo anivon’ny ekipan’ny polisim-pirenena, sarona tao amin’ny distrikan’i Betroka izy. Tsy nisalasala ny mpitandro filaminana nisambotra azy rehefa voamarina tokoa fa ilay lehilahy karohina teto an-dRenivohitra io hita tany an-toerana io.
Atao famotorana
Noraisin’ny ekipan’ny sampandraharaha eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ity olon-dratsy ity, taorian’ny nahasamborana azy. Atao famotorana lalina izy manoloana ny asa ratsy vitany. Atolotra fampanoavana aorian’ io. Raha tsiahivina, mpandraharaha iray narahin’i Kelindaty, ny marain’ny alarobia 14 oktobra, tamin’ny 9 ora maraina. Notifiriny io olona io ary nalainy ny sakaosy nisy ny vola, niampy ny finday. Namoy ny ainy ilay lasibatra ary olona telo hafa naratra. Tsy nisaron-tava, voarakitra an-tsary avokoa ny fihetsik’ilay olon-dratsy. Niezaka hanakana azy ireo vantan-dehilahy sasantsasany, saingy tsy afa-nanao na inona na inona noho ny tahotra manoloana ny fitaovam-piadiana nentin’ity jiolahy ity. Herinandro taty aoriana, nivaly ny ezaka nataon’ny polisy ary tratra ny nahavanon-doza.
Tsiferana R.





