67 Ha: Lehilahy maty tsy tra-drano voadonan’ny moto

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 60 taona, maty voadonan’ny moto tetsy 67 Ha, akaikin’ny FDC mihazo an’ Andohatapenaka, afakomaly tokony ho tamin’ny 6 ora ha­riva. Raha ny fanazavana voaray, niampita arabe, niaraka tamin’ny zanany lahikely iray izy tamin’io fotoana io. Voalaza fa tsy teny amin’ny toerana natokana hiampitana. Tsy nifampitantana izy ireo, efa tafita teny amin’ny sisiny ilay zanany, saingy tavela teo afovoan’ny arabe ilay raim-pianakaviana, izay nambaran’ny fianakaviany fa somary manana olana amin’ny fihainoana. Nisy moto notaingenan’ olon-tokana sendra nandalo. Tsy tafajanona ity farany ary nifaoka ilay raim-pianakaviana teo afovoan’arabe. Vokany, naratra mafy io lehilahy lehibe voadoana io. Naratra mafy teo amin’ny tanany sy ny tongony kosa ilay lehilahy nitondra moto. Taorian’ny loza, nentina nihazo ny hopitaly HJRA Am­pefiloha ireo naratra. Tsy tana anefa ny ain’ilay raim-pianakaviana voadona, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tany amin’ny hopitaly, raha toa ka mbola manaraka fitsaboana ilay nitondra kodiaran-droa. Tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana sy ny polisy misahana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Nandray andraikitra amin’ny fikaraka­rana ny maty ilay nitondra moto sy ny fianakaviany. Efa misokatra ny fanadihadiana sahanin’ny polisim-pirenena mahakasika ity raharaha ity.
Ankoatra izany, namoy ny ainy ny olona iray anisan’ireo tra-doza nandritra ny fifandonan’ny moto sy fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK65, tao Soaniadanana, kaominina Mahavelona, distrikan’Anka­zobe, omaly. Fiara taksiborosy mampitohy an’i Mahitsy sy Ankazobe tra-doza tampoka tamin’iny lalam-pirenena iny. Nifenana tamin’ny moto iray tao anaty fiolahana, anaty fidinana io fiara io, nifandona ka nipitika avy hatrany ny olona nitaingina an’ilay moto. Tsy tana ny ain’ny iray. Olona iray hafa naratra mafy izay voalaza fa tapa-tanana sy tongotra taorian’ny dona mafy nahazo azy.

Tsiferana R.

Partager sur: