KMF/Cnoe : “Tsy hampilamina ny fanoloran’ny Ceni lalàm-pifidianana vaovao”

Amin’izao fanomanana ny fiatrehana fifidianana izao, andrasana ny fikaonandoham-pirenena. Amin’izany, nilaza hanolotra tolo-dalàna fehizoro eny amin’ny Antenimierampirenena ny Ceni : tsy hampilamina, raha ny fijerin’ny KMF/CNoe.

“Fotoana izao raha tena hanorina sy hiaraha-manangana ny lalàna vaovao mifehy ny fifidianana. Aorian’ny fikaonandoham-pirenena no hamoa­hana izany amin’ny maha la­làna azy. Ny fotokevi-dehibe dia ny hoe ny hevitry ny maro no alaina handrovanana izany. Izay ihany no hampilamina… Raha tsy izay, miotrika korontana indray afaka dimy na enin-taona”. Io ny nambaran’ ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ma­noloana ny fanoloran’ny Ceni tolo-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana eny amin’ny Ante­ni­mie­rampirenena.
Hatao inona ary inona marina no ilana ny fikaonandoham-pirenena? Inona no mandalo fikaonandoham-
pirenena ary inona no tsy mandalo? Tsy ny fandravana na tsia ny Antenimierampi­renena no olana, fa ny hoe: nahoana no tsy hakana ny hevitry ny rehetra ny lalàm-pifidianana izay olana eto Madagasikara ha­tramin’izay? Inona marina no ilana ny fikaonandoham-pirenena? Atao fombafomba sy endrika ivelany fotsiny sa tena hanorenana ny firenena? Raha tena hanorina firenena, ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Izay no nifanarahana hoe ny hevitry ny besinimaro no hanorenana sy hanitsiana ny fifidianana, araka ny fanazavany.
Tsy hoe nanao fakan-kevitra momba ny fifidianana ny filohan’ny Fanavaozana dia heverina fa hevitry ny Mala­gasy. Misy Malagasy hafa koa ivelan’Antananarivo, izay tsy nakan-kevitra nefa mpisehatra politika koa. Raha ny noresahina tany am-boalohany, mia­in­ga avy amin’ny fikaonandoham-pirenena avokoa ny lalàm-panorenana, lalàm-pifidianana… Amin’izao, inona marina no hatao?

R. Nd.

Partager sur: