Notokanana omaly, ny Ivontoeram-pifandraisana ara-ketra etsy Anosy. Natao hanatonana akaiky kokoa ny mpandoa hetra, hahazoana ny vaovao ara-ketra sy hanampiana ny manan-draharaha izany.
Nanohana tamin’ny fananganana ity ivontoerana ity ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Ny Sampandraharahan’ny Fitantanana foibe ny hetra (DGI), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), izay ahitana fitaovana niomerika amin’ny fifandraisan-davitra, hampifandraisana sy hampiasana ny teknolojia, entina hanatonana akaiky kokoa ny mpandoa hetra. Nilaza ny Tale jeneralin’ny hetra (DGI), Rafaralahy Edmond, fa natsangana ity ivontoerana ity, hanamafisana ny fahafantaran’ireo manan-draharaha ny lalàna sy ny adidy ara-ketra, hazoto mandoa hetra, ao anatin’ny fifampitokisana amin’ny fanjakana. Atao laharam-pahamehana ny fanomezana tantsoroka ny mpandoa hetra, omena ny vaovao rehetra ilainy ary hanoroana lalana azy ny dingana tokony harahiny. Nanamafy ny lehiben’ny sampana teknika ao amin’ny Pnud, Peter Salloum, fa « tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny fananganana ity ivontoerana ity ny hampiakarana ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Eo koa ny fanomezana fotodrafitrasa manaraka ny toetrandro, ampy fitaovana, andaniny. Manome fahafaham-po ho an’ny mpandoa hetra, ankilany ».
Ny 41,8% ihany
Ahitana ordinatera miisa 40, mpiasa nahazo fiofanana manokana miisa 32, tambajotra fifandraisan-davitra internet, sns ny ivontoerana. Marihina fa misy ny laharana 834, azo antsoina, hakana ny vaovao samihafa, ilain’ny manan-draharaha sy ny besinimaro.
Nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny minisitera MEF, Razafindrakoto Zo, fa ilaina tokoa ity foibe ity, satria mbola ny 41,8% amin’ireo tokony handoa hetra maherin’ny 1,6 tapitrisa no mahaloa ny adidiny, ankehitriny. Hanamora ny fikarakarana ny lafiny ara-ketra sy ny fahafahana manefa ny adidiny ary hanoro lalana azy ireo ity fotodrafitrasa vaovao ity. Sady hanalavitra ny kolikoly rahateo.
Njaka Andriantefiarinesy





