Seho miavaka no hitranga mandritra ny famaranana ny faha-20 taona niakaran’i Marion sehatra. Mpitia zavakanto maro rahateo no efa miandry azy ity fatratra.
Fampisehoana hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 1 novambra, no hatolotr’i Marion ho an’ny mpankafy, ao anatin’izao faha-20 taona niakarana sehatra izao. Hiray sehatra aminy, ao anatin’ity fankalazana ity, i Y-zit. Nambaran’ity farany fa raisiny ho voninahitra ny fanasana ary nanaiky izy satria zava-dehibe ho azy izany 20 taona nihiran’i Marion, izay efa noraisiny ho toy ny rahalahany, izany. Araka izany, hisy fotoana hampiara-peo i Marion sy Y-Zit. Saingy hanokatra ny seho ny tompom-pety, ka ireo hira taloha no hanombohana izany, ho fahatsiarovana izay 20 taona izay. Hisy ny karazana seho an-tsehatra arahina hira, hitantarana ny dingana nodiavin’i Marion ary tsy hadino ireo hira vaovao izay efa eny am-bavan’ny mpankafy. “Tsy hisy hira hafa ankoatra ny hiran’i Marion sy Y-Zit eny an-toerana. Hisy kosa anefa ny DJ hanao ny fanentanana ho an’ny mpijery. Efa mipetrapetraka ny lamina rehetra mandritra ny fampisehoana hataon’i Marion sy i Y-zit”. Io no nambaran’ny mpikarakara, SR Event, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Mahakasika ny tapakila, mbola misy eny amin’ny Super Music Analakely, saingy notsindriny fa efa vitsivitsy. Hisokatra amin’ny 11 ora sy sasany ny vavahady ary hanomboka amin’ny 2 ora tsy diso ny fampisehoana. Manana vina ny hikarakara seho hafa iarahana amin’i Marion sy Y-Zit, ny SR Event ary tsy hadinoina amin’izany ny any amin’ny faritra. Miantso ireo mpankafy i Marion ho avy hanotrona azy fa goavana ny seho ary hisy ny tsy ampoizina hitranga amin’io alahady 1 novambra io. Nisaotra ny mpanohana sy mpiara-miombona antoka ihany koa ny mpikarakara, anisan’izany ny World Cola, ny Yas ary ny Acep Madagascar.
Mi.Raz





