Natolotra ny fampanoavana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, afakomaly, ireo olona 15 voarohirohy tamin’ny raharaha famoahana tsy nahazoana alalana sinoa miisa 11 nigadra teny amin’ny fonjan’Avaradrano tamin’ny volana aogositra 2026. Tomponandraikitra ambony miisa telo naiditra vonjimaika any am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo, rehefa avy nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana. Anisan’ izany ny lehiben’ny fonjan’ Avaradrano (CE) teo aloha, Mamisoa Tolojanahary, izay nalefa eny amin’ny fonjan’ Antanimora. Nalefa eny amin’ ny fonjan’Imerintsiatosika kosa ny talen’ny fandraharahana ny fonja (DAP), Rajaonarison Jean De Kopy sy ny chef de poste Antanimora. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny 12 ambiny. Nisy ny olona nitsoaka tamin’ity raharaha ity. Anisan’izany Razafimbeloson Mohamed, sekeretera jeneralin’ny sendikan’ny fandraharahana ny fonja. Efa misy ny famoahana didy fampisamborana azy. «Fantatra nandritra ny fihainoana ireo voampanga rehetra sy ny vavolombelona fa indroa miantaona ny famoahana ireo teratany sinoa ireo, tamin’ny alalan’ny Décision de transfert navoakan’ny talen’ny fandraharahana ny fonja», hoy Andrianarivony Nirina, Mpisolo tonia mpampanoa lalàna voalohany eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, raha nanao fanambarana omaly. Nanao ny fangatahana ny CE ny fonjan’Avaradrano. Nambarany fa efa nisy ny tsy fanarahana ny an-tanan-tohatra, satria tokony ho nandalo tamin’ny talem-paritra ny fangatahana izay vao nandalo tamin’ny talen’ny fandraharahana ny fonja. Mandalo ny tale jeneraly (DGAP), mankeo amin’ny minisitry ny Fitsarana ary avy eo hoentina eo anatrehan’ny filankevitry ny fanapahana.
Mino





