Manodidina ny 200 ny tanora malagasy hisitraka fiofanana maimaimpoana momba ny teknolojia niomerika, ao anatin’ny tetikasa D-Clic. Tanterahin’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF), ny Orange Solidarité Madagascar ary ny Agence universitaire de la Francophonie (AUF) ny hetsika. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizan’izy ireo sy hanamorana ny fidirany eo amin’ny tsenan’ny asa sy ny fandraharahana.
Nampahafantarina ny alakamisy teo, tao amin’ny FabLab Y’LO, an’ny Orange Digital Center eny Ankatso, ny tetikasa. Voakasiky ny fiofanana ny tanora 18-35 taona, eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Toliara, amin’ny alalan’ireo ivontoerana FabLabs solidaires. Miisa 4 kosa ny lalam-piofanana harahina. Hamolavola fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hamorona sy hanamboatra fitaovana amin’ny teknolojia 3D, amin’ny elektronika sy ny “Internet des objets” lIoT) ireo mpiofana. Haharitra efa-bolana ny fiofanana ara-teknika, raha roa volana ho an’ny fandraharahana.
Tantsoroka
Hitarika ny tanora hamorona asa ny tetikasa D-Clic. Omena lanja manokana ny tovovavy. Hetsika atao eny amin’ireo “Centres d’employabilité francophones” (CEF). Manohana ny tetikasa ihany koa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Frankofonia momba ny niomerika ho an’ny taona 2022–2026 ny D-Clic.
Henintsoa





