Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny masoivohom-paritra EDBM ao Sambava. Napetraka sy ampiasaina ao amin’ny faritra Sava ihany koa ny vovonana niomerika « Orinasa ». Rafitra natao hamoronana orinasa amin’ny alalan’ny internet. Manamafy ny fanakaikezan’ny EDBM ireo mpandraharaha ara-toekarena any Sava ity dingana ity. Nandritra izany, nahazo fiofanana momba ny fampiasana ny vovonana ireo mpampiasa azy.
Notanterahina teny Ivandry, ny 21 ka hatramin’ny 23 oktobra, ny atrikasa fakan-kevitra ho fanamafisana ny Politikam-paritry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, eo anivon’ny Sadc. Tanjona ny hanangona ny hevitra sy ny tolo-kevitry ny mpisehatra eto Madagasikara, mba hampifanaraka ny laharam-pahamehana ho an’ny firenena amin’ny paikady isam-paritra ho an’ity sehatra ity.
Toerana 6, olona maherin’ny 400 nahazo tombontsoa tamin’ny «Caravane Fanatsarana ny fiainana». Mpilatsaka an-tsitrapo japoney 3 (JOCV), misahana ny fahasalamana, ny fanjarian-tsakafo ary ny fampandrosoana eny ifotony no nisahana izany tao Miarinarivo, Ampefy, Soavinandriana ary Ankadinondry Sakay. Nandritra ny telo andro, fiofanana sy fanentanana maro no nifandimbiasana. Tafiditra anatin’izany ny fahasalamana, ny fanjarian-tsakafo ary ny fahaiza-manao ilaina andavanandro.





