Tontosa tany Matsiatra Ambony, ny zoma lasa teo, ny fivoriamben’ny Federasiona karate-do Madagasikara (FKM). Fotoana ihany koa nanaovana ny fifidianana izay ho filoha hitantana izany rafitra izany ho an’ny taom-piasana efatra. Mbola lany ho filoha hitondra ny Federasiona indray ny Dr Ratefinanahary Emile. Kandidà tokana ny tenany tamin’ity. Nahazo vato 11 tamin’ireo filohan’ny ligy 12 nifidy ny tenany, raha 1 kosa no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’ny solontenan’ireo ligy fa misandoka ireo milaza ho fikambanan’ny
filohan’ny ligy, miezaka manakorontana any amin’ny tambajotran-tserasera. Nohamafisin’izy ireo ny maha rafitra manapa-kevitra azy ireo ka namonjeny ny fivoriambe. Nanatrika ity fihaonana nanatanterahina fifidianana ity ny solontenan’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ao Matsiatra Ambony. Tsiahivina fa niara-dalana tamin’ity fivoriambe ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny ady (kumité) sy ny fihetsika mirindra (kata), ho an’ olon-tokana sy isan-tarika, lahy sy vavy.
Tompondaka





