Tenisy : Nindaosin’ny fahafatesana ny Coach Ravalitera

Misaona ny tontolon’ny taranja tenisy eto Madaga­sikara. Nindaosin’ny fahafatesana, ny sabotsy lasa teo, teo amin’ny faha-75 taonany, Ravalitera Rafolomanantsia­tosika. Ny aretina namely azy nandritra ny fotoana ela no nitarika ny fahafatesany, araka ny tati-baovao. Olona tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ ny fanatanjahantena Ratom­pokolahy Ravalitera, satria niaina sy nandany ny hatanorany tao anatin’izany. Ani­san’ny nahalalana azy ny taranja tenisy. Mpilalao, mpanazatra ary tale teknika nasionaly sady mpampianatra teny amin’ny Oniversite. Maro ireo anaram-boninahitra azony, na fony izy mbola niakatra kianja na izy efa nisahana ny ekipam-pirenena. Betsaka ireo mpilalao novolavolainy, raha tsy hilaza afa-tsy Rakotoma­lala Ando sy Niriantsa izay efa tompondakan’i Madagasikara, izay efa milaravinahitra any ivelany. Manan-janaka an’i Valisoa sy i Aina izy, izay samy mpilalao tenisy ihany koa ary efa tompondakan’i Madagasi­kara avokoa. I Aina izay mpanazatra ny ekipam-pirenena zandriny, nandritra ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika farany teo. Anisan’ireo olona nampiditra ny tenisy an-tsekoly ary nanofana mpampianatra maro Ratompokolahy. Ankoa­tra ny tenisy, nalaza teo amin’ny volley-ball koa Ravalitera. Na­mela mananontena sy kam­boty mirahavavy ary zafikely 3 izy. Hotanterahina amin’­ity alatsinainy ity, any Fandriana, ny fandevenana azy. Mirary fiononana feno ho an’ny ton­tolon’ny tenisy sy ny fianakaviany ny Gazety Ta­ratra.

Tompondaka

Partager sur: