Nisantatra ny fifaninanana ho an’ny lalao Olympikaho an’ny tanora (JOJ 2026), tanterahina any Sénégal, ny tenisy ambony latabatra. Ratsy fiditra ny solontena malagasy. Tojo faharesena avy hatrany i Gracia, hany solontena eo amin’izany taranja izany.
Nanomboka ny sabotsy lasa teo, any Dakar Sénégal, ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026). Omaly alahady, niditra an-tsehatra ny Malagasy ka nisantatra izany ny taranja tenisy ambony latabatra (Ping-pong). Ratsy fanombohana i Gracia Andriantahiana, hany solontena amin’ity taranja ity. Resin’ilay teratany Porto-Rico, i Valentina Davila, ny tovovavy teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny sokajy faha-4. Lavon’i Davila, tamin’ ny seta 3 no ho 0 (11/8 ; 11/9 ; 11/9), izy tamin’izany. Tsiahivina fa miisa 64 ireo mpilalao tenisy ambony latabatra mifaninana amin’ity, izay avy amin’ ny kaontinanta 5. Marihina fa 15 amin’ireo ihany no solontena afrikanina ka tsy misy afa-tsy 8 ny vehivavy ary anisan’izany i Gracia.
Hitohy anio ny fifanintsanana ho an’ny Malagasy ka hiditra an-tsehatra ny Makis Ladies, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Raha ny fandaharam-potoana, lalao roa avy hatrany no miandry ny Makis amin’ity alatsinainy ity dia ny fifandonana amin’i Etats-Unis, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany tolakandro. Eo koa ny fifanandrinana amin’i Espagne, any amin’ny 5 ora sy 10 mn hariva.
Voalohany eo amin’ny tantaran’ny lalao Olympika ho an’ny tanora no tanterahina aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nambaran-dramatoa Kirsty Coventry, filohan’ny komity Olympika iraisam-pirenena, nandritra ny lanonam-panokafana tao amin’ny Kianja Abdoulaye Wade, fa hiatrika ireo fotoana tsara indrindra eo amin’ny fiananareo ianareo tanora. Nidera ny vina mifantoka amin’ny tanora amin’ireo lalao izy. “Ny tena mampiavaka ity lalao ity dia ny tanora no ivon’ny zava-drehetra”, hoy izy.
Tompondaka





