Na mohoka na mihenjana!

 

Tena mila mailo sy malina tokoa rehefa mitondra fanjakana! Betsaka ny zava-miafina, saingy, iniana tsy hita sy tsy re fotsiny. Mpamosavy malemy ny ankamaroan’ny namana sy ny milaza fa akaiky. Tena mandefona ivoho avokoa fa mody hoe “tianay e! maminay!”. Mitango ny avy any amin’ny ambony, manitsaka sy mitsetsitra ny ambany: mamahan-dalitra ilay “patron”.
Mampalahelo ilay zava-misy, saingy, ny tompony aza mahazaka koa iza no hamono tena amin’ny aretim-po. Tsy ho sarotiny alohan’ny tompony. Izy aza mahazaka. Raha hitondra ny fanitsiana aza tsy mahasaky. Hananan-tsiny ny fanaovana izany. Zary vainafo mipetaka eo ambony loha. Loza mitatao ho an’ny tena sy ny fianakaviana. Aleo mijery arina an-tava toy izay hizara tari-dalana.
Eo indrindra no ilana fijoroana sy fahasahiana avy
amin’izay mahazo fahefana. Raha hijanona ho mohoka eo dia hataon’ny mpamosavy malemy fandihizana. Vokisan’ ny fampiesonana sy lela mamy anaty ngidy fara-tampony. Sodokan’ny filazana fa tokam-po, anaty fiatsarambela­tsihy. Saingy, andrasany amin’ny lefona avy ao ivoho, amin’ny fotoana tsy ampoizina.
Mazava ny zotra manoloana izany. Raha milaza fa hitondra rivo-baovao, angamba tsy misy tsara mihoatra ny manokatra ny varavarambe sy ny varavarankely rehetra. Mila mahasahy mampiseho ny maha izy azy na inona inona toe-javamisy any ambadika rehetra any. Tsy ny fanaovana takalonaina sy ramatahora no hampihemotra amin’izay fanapahan-kevitra tokony horaisina.
Fehiny, raha mbola samy manao kilalao maloto ny rehetra dia ho boribory vetaveta eto fotsiny. Tsy handroso fa iaina anaty fanaovana ramatahora. Rehefa tsy izaho dia tsy “isika”, toy izany foana ny fifampihantsiana iainana fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona.

r.r

Partager sur: