Kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly : Hisy ny « Zarasehatra bagasy mamaran-taona »

Mitady sy mikaroka ny hampivelarana sy hampitiavana hatrany ny bagasy ny Sehatra bagasy. Mifandraika amin’io ny seho karakarainy ao anatin’ny sabotsy roa misesy amin’ity volana novambra ity.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Sehatra bagasy ho an’ity volana novambra taona 2026 ity ny hanatanterahana ny « Zarasehatra bagasy mamaran-taona ». Fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ny sabotsy 7 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy 30mn tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, Antsahavola.
Raha miainga amin’ny ha­maroan’ny mpandray anjara, ny « Zara sehatra bagasy mamaran-taona » no anisan’ ny lehibe indrindra tamin’ireo fifampizarana traikefa nataon’ ny Sehatra bagasy (SBG)
ta­min’ity taona 2026 ity. Ana­sana ireo mpikambana re­hetra ao amin’ny SBG izany. Anisan’izany ny tarika, ny mpanakanto (mpihira, mpitendry), ireo mpisitraka ny tolotra avy amin’ny SBG, sns. Izy ireny no hampiara-peo amin’ ireo nizara sehatra hatramin’ izay tahaka ny Feon’­Anala­manga, R’Imbosa, Zafy Rako­toa­risoa, Salomon, Mianala, Solika, sns.

Hamaly fanontaniana i Mbosa
Ny sabotsy 14 novambra indray, hanomboka amin’ny 2ora sy 30mn, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro eny Antsahavola ihany. « Atrikefa bagasy Mbo­sa Rabenasolo ». Hamaly ny fanontaniana avy any amin’­ny mpanatrika i Mbosa. Inona no atao hoe kolontsaina sy ga­dona bagasy? Hatraiza ny fahafantaran’ny mpanatrika izany? Hisy hatrany ny hira handravaka ny fihaonana. Hiran’olon-tokana sy hiran’ olon-dro izay hokaloin’izy mi­vady. Anisan’­ny hira ho heno eny an-toerana ny « Misy kalokalontsika » (Rajoro), « Iarivo fonenana » (Naka R), « Raha lavitra an’­ Iarivo » (Ratianarivo), « Izany ny any aminay » (S Raha­mefy), « An’ iza moa ianao » (Ra­naivo Ranarivelo), « Mamy ny ha­riva » (Rajoro)…

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: