GEM Connect sy RE-GEM : Hamafisina ny fahatokisana

Mikarakara hetsika goavana, ny 19 novambra ho avy izao, ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), ao amin’ny Novotel Ivandry. Na­tokana hihaonan’ireo mpikambana ny Gem Connect, andiany faharoa ny fotoana, ka lo­hahevitra noraisina « ny fahatokisana ». Nohazavain’ny filohan’ny Gem, Rabarijohn Francis, fa andry lehibe mampihodina ny toekarena ny fa­hatokisana, mba hiteraka fampandrosoana eto Madaga­si­kara. Handinihina foto-kevitra maromaro, toy ny famoronana asa, ny fotodrafitrasa, ny fifaninanana, ny fampiasam-bola, sns. Eo koa ny Re-Gem, ho tontosaina ny alin’ny 19 no­vambra. Hanamafisana ny fa­hatokisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena toy ny FMI, ny BM, ny Vondrona eoropeanina, ny AFD, ny Rafi­try ny Firenena mikambana (SNU), sns izany. Hatao hikarohana vahaolana ma­homby sy azo tanterahina ho an’ny hoavy. Hotantera­hina amin’io fotoana io koa ny fankasitrahana ny mpandraharaha na orinasa « Re-Award 2026 ».
Tsiahivina fa avy amin’ny mpandraharaha, mpikambana ao anatin’ny Gem ny 86% ny vola miditra amin’ny fanjakana. Ny mpandraharaha ao anatin’ny Gem no miantoka ny 64% ny fanondranan’i Mada­gasikara entana any ivelany.
Maro ny miara-miombon’antoka amin’ny Gem amin’ireo hetsika ireo. Toy, ny ban­ky (Bred, BOA, BMOI, Bao­bab, …), ny trano fiantohana, ny vondrona orinasa (Sim, GEFP, Goticom, JPM, GFEM), sy ny maro hafa.

Njaka A.

Partager sur: