Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo fa haroso herinandro mialoha ny fanombohan’ny fanadinana bakalorea arakasa sy teknolojia, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027.
Manatanteraka atrikasa fikaonandoha mahakasika ny fomba hanatsarana ny fanadinam-panjakana BEPC ny teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, miaraka amin’ny solontenan’ny Unesco, Unicef ary ny IICBA. Mandritra ny roa andro izany, eto Antananarivo. Dinihina ny valin’ny fanombanana “Validation de l’analyse des statistiques de résultats de l’examen de BEPC” natao tamin’ny alalan’ny voka-panadinana BEPC ny taona 2023, 2024, 2025 ary ny taom-pianarana 2018-2019.
Hotanterahina manerana ireo oniversite ny atrikasa fakan-kevitra momba ny trano fonenan’ny mpianatra, ny 16 novambra hatramin’ny 11 desambra ho avy izao, araka ny fandaharam-potoana voatondro ho an’ny oniversite tsirairay. Handinihina ny zava-misy sy ny olana mahakasika ny trano fonenan’ny mpianatra, ary hifanakalozana-kevitra momba ireo vahaolana azo raisina, arakaraka ny filana sy ny toe-javatra misy eny anivon’ny oniversite tsirairay ny tanjona.





