Tetikasa EWED : Misokatra ny fakan-kevitra nasionaly

Tetikasa iarahan’ny SADC sy ny Auda-Nepad ny Ewed, izay haharitra 2 taona. Misitraka izany i Madagasikara sy Lesotho ary malawi sy Mozambika. Mifototra amin’ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fandraharahana ny fakan-kevitra nasionaly, hatao mandritra ny 2 andro.
Tanjona ny hahafahan’ny vehivavy mampivelatra ny asany sy mampitombo ny fidiram-bolan’ny ankohonany. Mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ny fanavaozana ity tetikasa ity, satria manome lanja ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina no mandrindra ity tetikasa ity eto Madagasikara. Manamora ny fanatanterahana izany kosa ny minisiteran’ny Varotra sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Niara-nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fakan-kevitra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Ramatoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia sy ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Ramatoa Dambiza.
Eto Madagasikara, efa maro ny vehivavy mahasahy misehatra amin’ny fandraharahana. Manana ny tanjany izy ireo ary tsy mena-mitaha amin’ny zava-bitan’ny lehilahy. Mendrika fanohanana ireo andriambavilanitra mijoro amin’ny fandraharahana ary manome asa ho an’ny mpiray tanindrazana.

Tatiana A

Partager sur: