VAOVAO TAMBATRA

Havaozina sy hitarina ny seranan-tsambon’ Antsiranana. Tetikasa iarahan’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM). Efa vita ny fanadihadiana sy fandalinana, ka hatao amin’ny tapany faharoan’ny taona 2027 ny fandefasana antso tolobidy ho an’izay orinasa hanatanteraka ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny sehatry ny fifandraisana an-dranomasina ny tetikasa.

Hafindra any amin’ny toby Jirama Toamasina ireo vata mpanova herinaratra eny Ambohimanambola an’ny orinasa Madagascar Utilities. Antony, hiantohana ny fitohizan’ny asam-panjakana amin’ny famatsiana herinaratra. Ankoatra izany, hanao fifanarahana ny Jirama sy ny orinasa TWCM Holding Co.LTD, hividianana milina mpihary herinaratra mandeha amin’ny gazoala manana tanjaka 18 MW sy vata mpanova herinaratra.

Nofoanana ny trosa sy ny sara mifandraika amin’ny tetikasa Teleferika (TPC). Nofoanana koa ny ambim-bola tsy nampiasaina tamin’ny fampindramam-bola niarahana tamin’ny banky Société Générale (SG) sy ny BPI France. Tsiahivina fa manana fikasana ny hampihodina indray ity fotodrafitrasa fitaterana teleferika ity ny fitondram-panjakana.

Partager sur: