FANTINA sy FINTINA

Handraisana fanapahan-kevitra iraisana ny momba ny fifidianana hatao, amin’ny fihaonana hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, anio sy rahampitso. Hatolotra amin’ny fomba ofisialy amin’io fotoana io, koa ireo fehinkevitra voaangona tamin’ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana, natao teny Iavoloha ny volana septamba teo.

Nihaona voalohany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, i Liu Wei. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, angovo, fambolena, fifandraisan-davitra, harena an-kibon’ny tany…

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Faratsiho ny filoha teo aloha, Ravalomanana ny sabotsy teo. Nambarany fa tena akaiky ny tantsaha ny tenany. Nitohy tamin’ny fihaonany amin’ireo mpikatroka Tim eny ifotony izany ka nanomezany toromarika momba ny fifidianana. Niara-dia taminy ireo birao politika sy ny depiote Ramilison Nomenjanahary « Mily ».

Nodimandry ny herinandro teo ny minisitra teo aloha, nisahana ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques. Mpahay lalàna niasa teo anivon’ny fitsarana ny tenany. Efa mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Minisitry ny Fitsarana tamin’ny governemanta, Ntsay Chrisian, fitondrana Rajoelina ny taona 2019-2020.

Partager sur: