Sehon’i Poopy any Toulouse : Hanohanana akanin-jaza kambana ao Mananjary

Ho tafaraka ny kolontsaina sy ny fifanampiana amin’ny maha olona. Any ivelany i Poopy sy ny tariny hanatanteraka seho firaisankina ho an’ny mpiray tanindrazana. Hanampiana ny fananganana akanin-jaza hisahana ny zaza kambana.

Any France, amin’izao fotoana, i Poopy sy ny tariny manontolo. Efa nisy ireo seho vita ary mbola maromaro no hataon’izy ireo amin’izao fivoahana izao. Hiavaka kely ny iray amin’ireo, izay hatao ny sabotsy 28 novambra izao, any Toulouse. Hampiavaka azy voalohany, seho maimaimpoana izany. Faharoa, seho hanehoana fi­raisankina ho an’ny mpiray tanindrazana izy ity, satria dia natao hanampiana ny fananganana ny La Redoute: Mai­son réfuge et polyvalente, akanin-jaza iray hisahana ireo zaza kambana any Andovo­sira Mananjary. Ny Madazon Logistics no mikarakara ny hetsika, izay miara-misalahy amin’ny Association Dera France. Ny sakafo malagasy amidy mandritra ny hetsika no hanokanana tombony ho an’ny tetikasa.
Orinasa misahana ny fandefasana entana ana habakabaka na an-dranomasina ny Madazon Logistics. Isaky ny misy « container » iray miala any France dia mahazo 1 000 euros ny Association Dera France, hampiasainy amin’ny asa sosialy. Efa 10 taona amin’­ity izao no nisitraka izany ny akany any Mananjary. « Ho any Madagasikara izahay amin’ny desambra izao, hitokana io trano io ary hampanao fetin’ny Noely ireo ankizy. Ny vola ho azo amin’io seho io no hampiasaina amin’izany », hoy ny fanamafisana nataon’i Anita Ratsimba Durand, mpitarika ny fikambanana. Mari­hina fa ny Association DERA France ihany koa no mikarakara ny Miss Diaspora Mala­gasy. Hanana solontena rahateo izy ireo amin’ny fifaninanana Miss Madagascar, izay hatao ny volana desambra ho avy izao.

Zo ny Aina

Partager sur: