Efa betsaka ny nataon’ny tarika Reko hatram’izay tamin’ny samihafa. Amin’ity manaraka ity kosa, hanatanteraka seho ho fanohanana akany mitaiza zaza kamboty sy sahirana ny tarika. Ny akany Mikolo Fanantenana eny Ambohijanaka no hotohanan’izy ireo amin’izany, ka ny Paoprod no mikarakara. Ny 28 novambra izao, eny amin’ny Kudeta Anosy, no hanatanterahana ny fampisehoana, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hizara mozika sy fanantenana ho an’ireo kamboty ireo ny tarika Reko. Hatolotra manontolo ho an’ny akany ny vola azo amin’izany. Akany iray miorina ao Malaza Ambohijanaka, ny Mikolo Fanantenana. Ankizy kamboty sy sahirana ary tsy manana fianakaviana 65 eo amin’izao no taizana eny an-toerana. Nanomboka tamin’ny taona 2025 no tena heno ity akany ity ary efa nisy hetsika maromaro nataon’izy ireo hitadiavana fanampiana hahafahana mitaiza sy manampy ireo ankizy taizany. Ankoatra ny hetsika fitadiavam-bola, mandray fanampiana amin’ny endrika hafa toy ny sakafo, fitafiana, … ihany koa ny akany Mikolo Fanantenana.
Mi.Raz





