Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’ ny Meknes, Maroc, ny andro fahatelo, fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L”. Nanao ady sahala tamin’ i Guinée Bissau, 1 no ho 1, i Madagasikara.
Ratsy toerana ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, amin’ity fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L” ity. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny Os Djurtus Guinée Bissau sy ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Meknes Maroc.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandanja ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Nisy baolina tokony ho tafiditry ny Malagasy, teo amin’ny minitra faha-10, saingy voasakan’ny mpiandry tsatoby gineanina ny dakan’i Warren Caddy. Niezaka nitady hirika ihany ny Malagasy, toa an-dry El Hadary sy Nicolas Fontaine, saingy tsy tafavoaka teo amin’ny vodilaharan’ny OS Djurtus. Marihina fa teo amin’ny minitra faha-40, nanolo mpilalao ny Barea. Nosoloina an’i Johan N’Zi, i Clement Couturier, rehefa naratra teny ambony kianja. Ady sahala 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ ny fidirana faharoa, nanomboka samy taitra tamin’ny torimasony ny andaniny sy ny ankilany. Nanomboka nametraka ny traikefany ry Marco Ilaimaharitra sy Rayan Raveloson, ho an’ny Malagasy. Nanao izay ho afany koa ry Mama Baldé sy i Beto ary Ronaldo Vieira. Ny minitra faha-58, nanakobana ny harato, i Warren Caddy, lohalaharan’ny Barea, rehefa nanao tsipy tosy lavitra Randriamanampisoa Nicolas. Nitarika 1 no ho 0, ny Malagasy teo. Taorian’io, niezaka nanenjika ny isa ny Os Djurtus. Efa tany amin’ny minitra faha-84 vao nahasahala izany izy ireo. Nahatafiditra baolina i Renato Naga, lohalaharan’ny Os Djurtus, rehefa nisy ny tandrevaky ny mpiandry tsatoby Barea, i Geordan Dupire. Nijanona tamin’io isa 1 no ho 1 io, ny lalao. Nisaraka ady sahala ny roa tonta. Manana isa roa izany ny ekipa nasionaly malagasy. Isa 7 kosa ny an’ny gineanina. Tsara ny mampahatsiahy fa raha mandresy ny Malagasy amin’ny fihaonana miverina, izay hatao any Bissau, ny 17 novambra ho avy izao, mbola afaka manantena ny hanao Can 2027.
Fitia Randria





