Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina atsy Maurice, ny 21 – 28 novambra ho avy izao, ny fifanintsanana ho an’ireo klioba aty amin’ny ranomasimbe Indianina, CCCOI, taranja handball. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka hanana solontena efatra, roa lahy, roa vavy. Ho an’ny lehilahy, ny Littoral Sporting Atsinanana, tompondakan’i Madagasikara farany teo sy ny HC Est Atsimo Andrefana no hisol-tena an’i Madagasikara. Ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Littoral Sporting, hifanintsana amin’ny Saint Pierre HBC La Réunion sy ny Curepipe Starlight Sports Club (CSSC) Maurice ary ny CH Combani Mayotte.
Ao amin’ny “B” ny HC Est, hikatroka amin’ny AS Château Morange La Réunion sy ny US Beau Bassin Rose Hill Maurice ary ny ASC Tsingoni Mayotte.
Ho an’ny vehivavy, hisolo tena ny Malagasy ny My-Sah Itasy, nahazo ny laharana voalohany sy ny THBC Analamanga, faharoa. Ao anatin’ny vondrona “B” ny ekipan’ Itasy, hifandimby hidona amin’ny l’ASCES La Réunion sy ny l’ASC Tsingoni ary ny US Beau-Bassin-Rose-Hill Maurice. Any amin’ny vondrona “A” ny solontenan’Analamanga, hifampikatroka amin’ny HBC Bois de Nèfles La Réunion, ny CH Combani ary ny Curepipe Rangers Handball Club, Maurice.
Fitia Randria





