FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny momba ny fitondrana Fanavaozana ny mopera Pedro Opeka, tao amin’ ny fahitalavitra Réunion La Première. Nambarany fa misokatra, matotra, marina ary tsy manao kolikoly
ny filoha. « Matoky aho ary manantena fa hitondra fiovana sy fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka izany. Mbola betsaka ny ezaka hiadiana amin’ny fahan­trana », hoy izy.

Ny fanomanana ny fifidianana sy ny fanavaozana ny rafitra eto Madagasikara. Nisongadina izany tamin’ny nandraisan’ny filohan’ny Antenimie­ram­pi­renena, Randrianasoloniaiko Siteny, ny iraky ny Sadc, Joyce Banda. Nanteriny fa zava-dehibe ny ezaka ho amin’ny fanamafisana ny rafitra demokra­tika sy ny fanomanana fifidianana.

Hovelomina indray sy hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Israely, araka ny tatitra teo amin’ny fihaonan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, N’Dyaye Alice sy mpirakidraharan’ny masoivohon’i Israely, i Hen Feder, tetsy Anosy. Voaresaka ny traikefan’izy ireo momba ny rano sy ny fambolena ary ny teknolojia.

Nahemotra ny fanitsiana ny volavolan-
dalàna iadiana amin’ny heloka ana habaka. Nambaran’ireo depiote fa ilana fandinihana lalina izany, indrindra ny famaritana ny fandikan-dalàna amin’ny fampiasana angon-kevitra tsy voamarina nefa mivoaka an-tambajotran-tserasera. Eo koa ny fanasaziana ireo fisolokiana amin’ny internet.

Partager sur: