Ho fanamafisana ny fahafahan’ny firenena miomana manoloana ny loza sy ny tandindon-doza, ny Governemanta malagasy dia mampihatra ny paikady momba ny famatsiam-bola ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fanjakana amin’ny alalan’ny drafitra fampiharana an-tsehatra volavolain’ny MEF, CPGU ary BNGRC. Nisy atrikasa fakan-kevitra efatra natao teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra hanangonana ny soso-kevitra sy hamaritana ireo laharam-pahamehana isam-paritra.
Nisy hetsika ara-pahasalamana nokarakarain’ireo mpitsabo miaramila notanterahina tao Nosy Sainte-Marie nandritra ny telo andro tamin’ity herinandro ity. Tolotra ara-pahasalamana maro no nomena ny vahoaka : fizahana ara-pahasalamana ankapobeny sy fizahana diabeta, fitsaboana ny aretin’ny ativava sy fanalana nify, fandidiana toy ny “appendicite”, “kyste”, “hernie”, “hydrocèle” sy ny maro hafa, fizahana manokana amin’ny “cardiologie”, “ophtalmologie” (ORL) ary ny “pédiatrie”.
Rafalison Josia Neumann, tanora mpikambana ao amin’ny Reseau Unesco, mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny Lycée Jean-Joseph Rabearivelo no voafidy hitondra ny feon’ny tanora malagasy amin’ny fihaonamben’ny Firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro tanterahina any Antalya, Turquie.





