MESUPRES : Arahina ana habaka ny taratasy karakaraina

Nampahafantarina omaly teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fampianarana Am­bara­tonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny “plateforme e-courrier”, izay sehatra niomerika iray ahafahan’ny mpiasan’ny minisitera rehetra, ny mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra, ireo mpianatra na mpandraharaha manaraka ana habaka ny taratasy karakarainy eo anivon’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambaratonga am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy voatery mivezivezy intsony izy ireo manatona eny amin’ny minisitera fa ana habaka no manaraka izany ary mahazo filazana amin’ny mailaka rehefa vita ny fikirakirana ny taratasy, araka ny fanazavan’ny talen’ny rafitra informatika sy teknolojia vaovao, Dr Rasoamanana Rado­niaina Andriantsiresy.
Efa mandalo eo amin’ny e-courrier avokoa ny taratasy rehetra (90%) izay karakaraina eo anivon’ny minisitera ankoatra ny sokajy ilana fikarakarana manokana. “Vinan’ ny minisitera ny firosoana amin’ny niomerika ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny olona rehetra mila izany”, hoy ny minisitry ny Fam­pia­narana ambaratonga ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndao­hialy Manda-Vy.
Ao anatin’ny tranonkalan’ny minisitera, efa misy ny sokajy “service en ligne” manome ireo tolotra valo mifandraika amin’izay. Mora kokoa ny fikarakirana ny antontan-taratasy ary tsy misy ny ahiahy amin’ny fahaverezany satria manana « reference » ilay olona ahafahana ma­naraka. Efa nampiasaina tao anatin’ny roa volana mahery ny e-courrier.

Vonjy

Partager sur: