TSELATRA

Lehilahy iray, 28 taona, namoy ny ainy niro­danan’ny tamboho, ny sabotsy teo, tany Bejabora, kaominin’Ambohibary, distrikan’i Moramanga. Naratra, nandritra izany, ny mpiara-miasa aminy miisa efatra. Taorian’ny loza, nentina tany amin’ny hopitaly ireto fa­rany ary efa manaraka fitsaboana. Raha ny fantatra, tamboho iray vao natsangana no nirodana tampoka. Teo am-pakana aina ireto farany no niharan-doza.
Omby miisa 20 lasan’ny dahalo no tafaverin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny tompony, ny alin’
ny sabotsy 14 novambra 2026 teo, tamin’ny12 ora sy sasany. Nangalarin’ny dahalo tany Antsahalova ireo biby fiompy ireo. Natao ny fanarahan-dia ka tratra tao Man­gatringa ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana ary tafa­tsoaka ireo olon-dratsy. Navelany teo ireo omby.
Naiditra vonjimaika am-ponja, ny alakamisy
12 novambra 2026 teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho nanolana zazavavy 7 taona, tany Maroantsetra. Rehefa avy nampakarina teo anivon’ny fampanovana. Noha­raraotin’ity lehilahy ity nanaovana herisetra ara-nofo matetika io zaza io, rehefa tsy ao an-trano ny ray aman-dreniny.
Lehilahy iray antsoina hoe: Edson Diego, no hita faty may tao an-tranony, ny alarobia 11 novambra 2026, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina teo. Ahina ho nisy namono izy ary avy eo nodoran’ireo olon-dratsy. Nahitana setroka nivoaka avy tao amin’ny tranony,
tranga nanaitra ny mponina. Tonga namono ny afo ny mpamonjy voina ary faritra vitsivitsy tao an-trano no may. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Partager sur: