Nampahafantatra ny tetikasa “Alabuga Star” any amin’ny faritra ara-toekarena manokana any Rosia ny fikambanana Amis de la Russie à Madagascar (ARM), omaly, tetsy Ankorondrano.
Fandaharanasa natao ho an’ireo tovovavy 18 ka hatramin’ny 22 taona vonona ny hiofana sy hiasa any Rosia ny tetikasa “Alabuga Star”. Marolafy ny fampiofanana toy ny fomba fandraisam-bahiny, fanatanterahana ny asa famokarana, sehatry ny fifamoivoizana, fanatsarana ny taotrano….
Maherin’ny 60 ny orinasa ao anatin’io faritra ara-toekarena ao Rosia io, izay ao amin’ny Repoblikan’i Tatarstan misy ireo orinasa mpamokatra sy indostria no hiofanan’ireo tanora zazavavy sy hiasany.
Manodidina ny 100 ireo ankizivavy malagasy efa mianatra sy miasa any. “Ny ARM irery ihany no afaka manatanteraka ity tetikasa “Alabuga Star” ity fa sandoka ny ankoatra azy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Ralison Razafindrakoto. Tsy agence de recrutement anefa ny ARM fa fikambanan’ireo mpianatra avy any Rosia sy mpankasitraka ny fifandraisana amin’i Rosia.
Nanazava ihany koa ny tompon’andraikitra, Philibert Ratovonirina, fa misy ny fanaraha-maso aton’ny ARM amin’ireo ankizy mandeha any.
Natao ho an’ireo tovovavy efa manana ny diplaoma bakalorea ny fiofanana. Roa taona ny faharetan’ny fiofanana ary afaka manohy fianarana na manohy miasa avy hatrany. Any amin’ny 800km miala an’i Moscou, no misy ny toerana hiofanana sy iasan’ny ankizy. Lavitry ny ady ary voaaro tsara noho ny fampiasana ny teknolojia maoderina efa avo lenta.
Raha ny fanazavana dia efa nijoro tamin’ny taona 2022 ny ARM. Mpianatra nahavita fiofanana tany amin’ny firenena sovietika taloha no mpikambana ao. Tanjona ny manamafy sy mampivelatra ny fifandrisana amin’ny rosianina. Manomboka miverina ny fifandraisana amin’ny firenena rosinina ary niasa be tao anatin’izany ny ARM miaraka amin’ny masoivohon’i Rosia miasa eto Madagasikara.
Tatiana A





