Fandraisana mpampianatra : Napetraka ny ady amin’ny kolikoly

Mifantoka amin’ny fanadihadiana sy ny famakafakana ireo lesoka mety hitondra any amin’ny kolikoly, ao anatin’ny paikady rehetra mahakasika ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra ENF amin’ny alalan’ny tetikasa Talim ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena.
Misy ny atrikasa handinihana izany nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso. Tanjo­na ny hitrandrahana ireo antony mafonja mahatonga ny kolikoly eo amin’ny fampidirana mpampianatra ENF miisa 26 000 ho mpiasam-panjakana, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa Talim.
Tsy mandefitra ny minisitera amin’izay fitarainana mom­ba ny kolikoly voaray ary mandray fepetra avy hatrany. “Aoka izay tena tokony horaisina no ho voaray fa tsy hisy intsony ny tsolotra fanaon’ny mahitahita ka izy ireo indray no ho voaray ho mpiasam-panjakana. Miara-mientana isika, samy mandray andraikitra, hameno ny hantsana lehibe maharary ity tontolon’ny fanabeazana eto Madagasi­kara ity”, hoy ny minisitra Rajaonarison Sendra Nirina.

Tatiana A

Partager sur: