Hifarana, anio any Rosia ny « Assemblee générale du Mouvement international, Forum des partisans de la lutte contre les pratiques modernes du néocolonialisme Pour la liberté des nations ». Anisan’ ny voaasa amin’izany ny antoko « Reveil patriotique de Madagascar uni – RPMU ». Mitarika ny delegasionina any an-toerana kosa ny filohany, Rakotonirina Richard.
Nihaona tamin’ny solontenan’ny African Initiative izy ireo, omaly.
Nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampizarana traikefa ary ny fijerena ireo sehatra iaraha-mientana sy fifandraisana eo amin’ny RPMU sy ny African Initiative ny fihaonana. Tahaka izany koa ny fihaonana amin’ny antoko « Russie Unie », tarihin’ ny filoha Rosianina, Vladimir Poutine. « Niarahana nandinika ny hanokafana lalana ho amin’ny fifandraisana sy ny fifaneraserana amin’ny hoavy. Tsy maintsy mifototra amin’ny fifanajana sy ny tombontsoa iombonana anefa izany », hoy ny RPMU.
Nanterin’izy ireo fa dingana amin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fanitarana ny fiaraha-mientana amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao. Maro ny fihaonana an-tsisiny notanterahan’ireo delegasion’ny RPMU mandritra izao famitana iraka ataon’izy ireo any Moscou – Rosia izao.
Tsiahivina fa mahatratra 60 mahery ny firenena mandray anjara amin’ity fihaonambe iraisam-pirenena ity ary hany antoko misolo tena an’i Madagasikara amin’izany ny RPMU.
« Efa manana toerana sahady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ireo ezaka goavana sy fandraisan’ anjara nentiny teto amin’ny fiainam-pirenena nandritra ny heritaonan’ny fitondrana Fanavaozana ny RPMU », hoy ny filohany, Rakotonirina Richard.
Synèse R.





